<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hira fiderana ho Anao ry Ray
 Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay
 Hira mampifaly, mampitony jaly
 Mampiravoravo fo

[V2]
 Ny talenta izay efa nomenao ahy
 Hiderako Anao n'aiza misy ahy
 Mba hamelon'aina, hampitony saina
 Hampiray ny miaina

[V3]
 Hira tsotra ihany, nefa na dia izany
 Ho Anao tokoa no hikaloako
 Raiso re, ry Tompo,
 F'io no porofom-pitiavako Anao

[V4]
 Hira avy ato am-poko, indro fa vetsoiko
 Ho Anao ry Raiko izay antsoiko
 Hira tena mamy, manambara hatrany
 Fa tena tiako Ianao</lyrics>
<title>Hira fiderana FF45</title>
<hymn_number>45</hymn_number>
</song>